<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ahy va Jesosy Tompon'aina? FFPM498</title>
<lyrics>[V1]
 Ahy va Jesosy Tompon'aina ?
 Moa ahy va ny lanitra ?
 Eny, matokia, ry fo sy saina,
 Fa eken'Andriamanitra.

[V2]
 Eny, zokiko Jesosy Tompo,
 Fahagagana lehibe erý,
 Tsy antsoiny hoe mpanompo,
 Fa ataony tena havany.

[V3]
 Toa mila hampisalasala
 Io tena fahagagana io,
 Ary lavin'ny tsy mahalala,
 Nefa azon'ny finoako.

[V4]
 O, mba mifalia, ry fanahy,
 Fa anao Ilay Mpanavotra !
 Ka misaora, aza mba manahy,
 Fa ho azonao ny lanitra.

[V5]
 Iombonana ny lova any,
 Fa Iray ny Ray an-danitra !
 Ka harena be dia be izany,
 Hasambarana maharitra.</lyrics>
<hymn_number>498</hymn_number>
</song>